ISPM : Voka-pikarohana 360 no haranty mandritra ny dimy andro.

Hetsika fanaon’ny oniversite tsy miankina ISPM isan-taona ny fampisehoana ireo voka-pikarohana ataon’ireo mpianatra manomboka ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana fa tsy maintsy manao fikarohana ny mpianatra rehetra.

Nanomboka omaly ny varavarana misokatra hampisehoana izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny asabotsy ho avy izao. Trano heva miisa 360 no hita eny amin’ny foiben-toeran’ny ISPM anatanterahina ny hetsika. « Misokatra ho an’ny rehetra izy sy izay liana te hianatra ao amin’ny oniversite », hoy Lala Rasoanaly, mpampianatra ao amin’ny ISPM.

Roa ambin’ny folo ny lalam-piofanana  ao amin’ny ISPM ary mitsinjara ho sampam-pampianarana efatra lehibe, toy ny « informatique, tertiaire, bio-technologie,industrie ». Efa ho roa ambin’ny roapolo taona izay nisian’ity anjerimanontolo tsy miankina ity ary efa anarivony ny mpianatra nivoaka tao aminy.

Mamolavola ny mpianatra hanangana orinasa mahaleo tena no tanjon’ny oniversite. Araka izany, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolo eto amintsika ny lalam-piofanana ao aminy ary mbola malalaka ny sehatra asa azo ataon’ireo mpianatra ao aoriana.

Lynda A.