ISPM: Mpianatra 200 notolorana ny diplaoma Master.

Mpianatra  nahavita ny dingana ahazoana  ny diplaoma Master roanjato isan-taona  no havoakan’ny ivon-toeram-pampianarana ISPM.  Tamin’ity taona ity, nisalotra ny anarana “Kanto” ny  andiany 2017. Toy ny mahazatra dia fomba fanao ny fananana  ray na reny mpiahy  rehefa fizarana diplaoma amin’ny fomba ofisialy. Ankoatra an’i Dama mpanakanto, anisany nosafidian’ny andiany Kanto ho reny mpiahy azy ireo ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa  mpanondrana ny hazandranomasina mankany ivelany sy mpamatsy ny  voka-dranomasina  eto amin’ny  tsena anatiny, Manda S.A, Bakoly RAHERIMANANA.

Efa hatramin’ny fizarana ny diplaoma Licence ity farany no reny mpiahy ity andiany ity. “Noho izy vehivavy manana ny toerany azo alain-tahaka   amin’ny sehatry ny fandraharahana no antony nisafidianana azy”, hoy ny Filoha mpisolon-tena ny andiany Kanto.

Efa mitana  andraikitra amin’ny orinasa isan-karazany  ny ankamaroan’ireo mpianatra. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY fa noho izy ireo  efa nandalo fianarana asa no tena nahazoan’izy ireo asa haingana satria mamaly ny fenitra takian’ny orinasa.

Nomarihany fa hisy ny varavarana misokatra hitondran’ireo mpianatra ny vokam-pikarohan’izy ireo ny Talata 13 Jona ka hatramin’ny Sabotsy 17 Joana 2017.

 Dimy ambin’ny roapolo izao no nisian’ny ISPM na “Institut Supérieur  Polytechnique de Madagascar”. Lalam-piofanana 15 eo toy ny « tourisme, informatique et télécommunication,droit, agriculture et élevage, biothèque… » no nandalovan’ireto andiany mpianatra nahazo ny diplaoma Master 2017 ireto.