ISPM :Mirona any amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra.

Mandray anjara amin’ny Salon de la rentrée universitaire, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM). Hatramin’ny fanombohan’ny hetsika omaly, 31 aogositra 2017, mahaliana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny lalam-piofanana momba ny teknolojia toy ny serasera, ny fifandraisan-davitra…

Araka ny fanazavan-dRamatoa Aimée RAZAFINDRAHETY, Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM  fa mahasarika ny mpianatra amin’izao fotoana  izao ny fivoaran’ny teknolojia. Na dia eo aza izany, misy ireo mpianatra te handranitra ny fahaizany  eo amin’ny sehatry ny « industrie chimie et minière », « biotechnologie »…

Lalam-piofanana maro voazarazara  ao anatin’ny  departemanta dimy no  azo isafidianana  raha te hanohy ny fianarana ambaratonga ambony ao amin’ny ISPM.

Marihina fa hifarana androany 01 septambra 2017 ny hetsika.