IRAY VOLAN’NY ANKIZY : Tafajoro indray ny Antenimieran’ny ankizy ho fiomanana amin’ny 2030.

Noho ny fiarahamiasa tamin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny Ministeran’ny mponina, ny scout, tafapetraka  indray ny Antenimieran’ny ankizy izay efa tsy nisy nandritra ny taona maro teto Madagasikara. Mandrafitra izany ireo ankizy tra-pahasembanana sy kamboty. Efa misy solon-tena avy  ny  faritany Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina, Toliary, Antsiranana. « Tanjona ho tratrarina  dia  ny hametrahana ny Antenimieran’ny ankizy manerana ny faritra 22 », araka ny fanambaran’ny Ministry ny mponina, Onitiana Realy. Miara-miasa amin’ny UNICEF ny Ministera amin’ny fametrahana izany ho fiomanana amin’ny taona 2030 ho  ankizy ODD (organization de developpement durable) na ankizy hiomana hitondra firenena  amin’io taona io.

Hitondra teny sy ho solom-bavan’ny ankizy manerana ny Nosy no antony nananganana izao Antenimiera izao. Ny 01 volana jona 2017, fankalazana nasionaly ny  iray volan’ny ankizy natao teto Toamasina no nanangana izany. « Ankizy voaaro amin’ny herisetra afaka miatrika ny hoaviny » no lohahevitra noraisaina tamin’ity taona 2017 ity.

Noho izany, maro ny ezaka  tsy maintsy atao amin’ny fiarovana ny ankizy eto Madagasikara  amin’ny sehatra maro. Isan’izany ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana sy ny herisetra maro samy hafa. Eo ihany koa ny fanabeazana omena ny zanaka Malagasy. Manomboka ao an-tokantrano izany ka mivoaka avy ao amin’ny fiarahamonina sy any an-tsekoly. Efa misy ny fanentanana ataon’ny avy ao amin’ny ministeran’ny  mponina momba ireo toy ny fametrahana ny Centre vonjy aina.

Prud’Homme.