IKONGO: Miverina mitrandraka an-keriny indray ireo sinoa.

Tsy  ny ao Soamahamanina ihany no mitrandraka ireo sinoa fa hatrany amin’ny distrikan’ Ikongo ihany koa.  “Niato kely izy ireo fa niverina an-keriny indray”. Nampitandrina ny Solombavambahoaka voafidy tao Ikongo, Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA fa ny mponina any tsy mahalala afa-tsy ny famaky sy antsy rehefa manao fitakiana. Nohamafisiny fa tsy mahay manao fitakiana am-pitoniana ny mponina rehefa tsy rariny no mitranga. Noho izany, niezaka nandamina raharaha sy nampitony ny vahoaka  ity solombavambahoaka ity mba tsy hisian’ny ra mandriaka. Nambarany fa efa mandeha ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitra voakasika izany.

Toerana telo no tena hiasan’ireto teran-tany sinoa ireo. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambilanitromby.