HVM Atsimondrano: « Mangataka ny handravana ny Antenimierampirenena raha mitondra korontana »

Tsikaritra tato ato fa mila ho isan’andro ireo maneho ny heviny mahakasika ny savorovoro eo amin’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka. Misy ireo mitsipaka ny fanalana an’i Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny fitorian’ireo solombavambahoaka na vondrona politika na olon-tsotra. Miteny avokoa ireo olona ireo manoloana izany ary milaza fa manohana an’ny filohan’ny Repoblika hatramin’ny farany. Nambaran’izy ireo, ihany koa fa fitadiavana tombontsoa indray no ataon’ireto solombavambahoaka ireto. Anisany naneho izany ny HVM Atsimondrano. Nampian’ity farany, ihany koa fa te hanakorontana fotsiny ireo solombavambahoaka satria mampandroso ary mahatsiaro fa manana andraikitra amin’ny fiainan’ny vahoakany izy dia finganina sy hankahalaina. Ankoatra izany, afaka mampiodina tsara ny raharaham-panjakana sy raharaha politika ny andrim-panjakana misy eto ka tsy tokony harondana, araka ny fanazavana azo. Anjaran’ny vahoaka Malagasy no manamarina izany raha tena mahavita mampandroso ny firenena tokoa ny fitondrana ankehitriny. Nohamafisin’ny HVM Atsimondrano ihany koa fa hamokatra sady hampitombo ny fidiram-bolan’ny tsirairay ary ao anatin’izany ny mpanao politika, ny filoham-pirenena ankehitriny. Entina handresena lahatra ny vahoaka Malagasy fa mahavita azy ny fitondrana ankehitriny ve ny fampitenenana ireo antoko politika na olon-tsotra na dia efa hita izao aza fa tafalatsaka ao anaty kizo aza i Madagasikara?  « Tsy fotoana fandrodanana fanjakana noho ny fitiavan-tseza intsony anefa izao fa fotoana hanarenana ny firenena satria ny vahoaka vizana sy trotraka », hoy ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny HVM Atsimondrano, Pianina Razafy. Lalana iray hamongorana ny fahantrana eto amintsika ve ny mbola hijanonan’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana sa hitondra any amin’ny fahantrana lalina hatrany?

Lynda A.