HOLAFITRY NY VADIN-TANY SY NY MPANAO LAVANTY VAOVAO: Laharam-pamehana ny fananganana sekoly ambony

Tontosa ny 01 septambra 2021 teny Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny holafitry ny vadin-tany sy ny mpanao lavanty teo aloha sy ny vaovao. Laharam-pamehana ho an’ny birao vaovao, ho an’ny telo taona manaraka ny fananganana sekoly ambony (école de procédures) hahamatihanina ny vadin-tany, ny fanovàna ny rafitra mifehy ny vadin-tany ary ny fampitomboana ny isan’ny vadin-tany eto Madagasikara. “Efa misy ny fifanarahana natao tamin’ny école de procedure tao Paris ary ho ezahina ny  hanatontosa azy ho an’ny telo taona manaraka”, hoy ny filoha vaovao. Nambaran’ i Maître Rakotonirina Alain fa ezahina  ny fanovàna ny rafitra mifehy ny vadin-tany satria rafitra efa ela dia ela no misy. 27 tapitrisa ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Ny isan’ny vadin-tany anefa mbola 146 ihany. “Hiara-hiasa amin’ny ministera mpiahy izahay ka fenoina vadin-tany  ny tribonaly rehetra eto Madagasikara ary ho ampitomboana ny salan’isa”, hoy izy. Araka ny fanazavany, any amin’ny faritra Atsimo toy an’i Ampanihy, Betroka, Maintirano, Miandrivazo no mbola tsy misy vadin-tany.

Tsy nisy fandroahana olona

Hiara-mahalala fa nandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara noho ny valanaretina Covid-19. “Hiarahana miasa amin’ny fanjakana ny fanantanterahana ny didim-pitsarana mbola tsy tanteraka  satria noho iny aretina iny dia tao anatin’ny telo taona dia tsy nisy mihitsy ny fandroahana olona tao amin’ny toerana nisy azy. Ezahina ny hiara-hiasa amin’ny fanjakana ahafahana manatanteraka ireo didim-pitsarana, maro dia maro izany didim-pitsarana tao anatin’ny telo taona izany”, hoy i Maître Rakotonirina. Tsiahivina fa asa vitan’ny biraon’ny holafitry ny vadin-tany teo aloha ny fampidirana ny vadin-tany vaovao miisa 30, ny fanavaozana ny sata mifehy ny vadin-tany. “Efa miditra any amin’ny ministeran’ny fitsarana miandry validation sy ho aroso eny amin’ny Antenimieram-pirenena izany”, hoy hatrany izy.

Lynda A.