“Hifantoka amin’ny fampandrosoana ranofotsiny ny Lehiben’ny Faritra” hoy Saïd Ahamad Jaffar

Sahirana ny olom-pirenena manoloana ny fisian’ny Lehiben’ny Faritra sy ny Préfet. Misy mihevitra fa nofoanana tanteraka ny toeran’ny Lehiben’ny Faritra. Ilaina fanazavana bebe kokoa izany.

Nitondra fanazavana amin’ny vahoaka ny anjara andraikitry ny Lehiben’ny Faritra manomboka izao,  manoloana ny solontenam-panjakana mifanandrify aminy dia ny “Préfet” izany, ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar.

Nambarany fa miankina betsaka amin’ny tetik’asa faritan’ny Filankevi-paritra ny asa sahanin’ny Lehiben’ny Faritra amin’ny maha rafitra mpanatanteraka azy. Izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny fananan’ny Faritra rehetra, manao sonia ny famoaham-bola, misolotena eny amin’ny Fitsarana, mitarika ireo tetik’asa fampandrosoana rehetra ao anatin’ny Faritra.

Nohazavainy fa “mitovy laharana ny Lehiben’ny Faritra sy ny Préfet raha arofenitra no resahina, kanefa samy manana ny hanitra ho azy. Iry voalohany dia lehiben’ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana eo amin’ny Faritra. Ilay faharoa kosa dia misolo-tena ny governemanta sy ny Praiministra ao”.

Na dia ny Préfet aza no an-tanan-tohatra lehibe mivantana misolo-tena ny ministerany tsirairay avy, dia azon’ny Lehiben’ny Faritra atao kosa nefa ny mampiantso ireo tompon’andraikitry ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny aty an-toerana,  raha mila fiaraha-miasa sy tohana ara-tekinika ho amin’ny fampandrosoana ny asa sahaniny.”

Nanamafy izany resaka fampandrosoana izany ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar ka nisy ny fanaovan-tsonia teo aminy sy ny solotenan’ny Fandaharan’asan’ny tan-tsoraka ho an’ny Fitantanana ny Tontolo iainana na PAGE (Programme d’Appui à la Gestion de l’Environnement) – GIZ aty Afrika mikasika ny fifanarahana lasitra amin’ny fomba hanampian-drizareo alemaina ny Faritra Boeny amin’ny fandrafetana ny ny Drafi-paritra Fanajariana ny Lafitany na SRAT (Schéma régional d’aménagement du territoire), ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fitantanana mangarahara.

Ankilan’izay dia nanao tatitra fohy izy mikasika ny fandraisany anjara natao tamin’ny fandrafetana ny paik’ady hanatanterahana ny drafi-pirenena ho amin’ny Fampandrosoana teny amin’ny CCI Ivato.

Nanangona Ravaoarisoa Ginette