HETSI-BAHOAKA: Ny mpanao politika no tena mahazo ny tombontsoa

“Tokony arahina izay lazain’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana”, hoy ny solombavambahoaka Nicolas Randrianasolo. Nambarany fa ny mpanao politika no mahazo ny 90 %-n’ny tombontsoa azo avy amin’ny  fitarihana hetsi-bahoaka.  Ny 10 % fotsiny no mankany any amin’ny vahoaka.  Noho izany, “tsy vahaolana ny fanakorontanana fa avelao hitondra izay filoham-pirenena lany”, hoy izy. Manana dimy taona io filoham-pirenena hitondràna ny firenena ka amin’izay fotoana izay dia manana adidy ny olom-pirenena hanaraka akaiky ny asa ataony.

Harenina ny lesoka

Efa hita ny lesoka tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblikan’i Madagasikara na tamin’ny fihodinana voalohany na faharoa. Nilaza i Nicolas Randrianasolo  fa ny fanarenana izany no antoka hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra. Nanamafy ny tenany fa vonona hatrany  ho kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy eo.

Lynda A.