HAIFY MAMPIHAVANA : Hanandratra ny sakafo Malagasy.

Lasa variana amin’ ny sakafo avy any ivelany ny ankamaroan’ ny Malagasy. Manoloana izany, mitady ny fomba hamerenana ny hasiny sy hankafizan’ ny eto an-toerana indray ny mpikarakara ny hetsika HAIFY. Hetsika miompana amin’ ny kolontsaina ara-tsakafo ity farany. Ny 26 sy 27 ho avy izao ny andiany faha roa ary eny amin’ ny kianjan’ Andohalo no hanatanterahana izany. HAIFY MAMPIHAVANA no lohahevitra noraisina amin’ ity andiany ity noho ny fiaraha-miasa amin’ ny ambasady Indonesiana. Ny fifanakalozana ara-barotra sy fifampizarana ireo kolontsaina manodidina ny sakafo no anton’ izany satria misy hitovizana amin’ ny firenena io ny an’ ny Malagasy.

Ny 25 septambra no hisokatra amin’ ny fomba ofisialy fa natokana ho an’ ny rehetra kosa 26 sy 27 septambra. Mandritra io telo andro io, hampahafantatra ireo karazana sakafo Malagasy sy vahiny ny mpandray anjara amin’ ny hetsika.

Ankoatra izany, hisy ny fifaninana “jeune chef” izay natokana ho an’ ireo mpianatra nivoaka tamin’ ny sampam-pampianarana misahana ny fizahantany. Nomarihan’ ny mpikarakara, ANDREAS Irene fa ny chef Mariette manam-pahaizana amin’ ny fandrahoan-tsakafo Malagasy no hitsara izany. Miisa 15 izy ireo ary efa nanomboka androany ny fifaninana.

Omena sehatra amin’ io fotoana io ihany koa ny tsikonina, kilalaon’ ny ankizy fahiny. Hahazo loka avy amin’ ny vadin’ ny filoham-pirenena sy ny UNESCO ireo mpandresy.

Lynda A.