HAVOZOMI: Mpikabary 4000 no navoakan’ny fikambanana.

“Hitaona  sy hampianatra ny Malagasy hitia kolotsainy”. Io no tarigetra napetrakin’ny fikambanana HAVOZOMI. 15 oktobra 2006 – 15 oktobra 2016, feno folo taona ankehitriny ny fikambanana. Nivoy hatrany ny teny filamatra: “Izay mahafehy teny, mahafehy tena”, ity farany ka tamin’ny alalan’ny fampianarana ny kabary  sy  fandalinana ny tantara sy fomba ary ny kolotsaina Malagasy  no nanatanterahany izany. “Ho an’ny taranja  kabary manokana izao dia efa 4000 ny mpikabary navoakan’ny HAVOZOMI”, hoy i Lantoharitsima RAKOTOZAFY, Filohan’ny fikambanana.

Nandray anjara tamin’ny fanasoavana ny tanindrazana ihany koa ny HAVOZOMI. Anisan’izany ny fambolen-kazo.

Manana vina handrakotra ny faritra 22 amin’ny fampianarana sy fandalinana ny kabary fa indrindra ny kolotsaina Malagasy ny HAVOZOMI.