Harilala Ramanantsoa: Miatraika mivantana amin’ny vahoaka ny fandaharan’asany.

Samy manao ny ainy tsy ho zavatra ireo kandida sivy mifaninana eto  amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Samy miezaka handresen-dahatra ny mponina hifidy azy ny tsirairay. Raha ho an’ny kandida Mada Vision  laharana faha-02, Harilala Ramanantsoa, izay  mpandraharaha manokana , tonga dia niresaka nivantana tamin’ny mponina no nanombohan’ny fampielezan-kevitra ary nitety isam-baravaravana mihitsy aza. Teny amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely no nanombohan’izany tamin’ny asabotsy teo.

Nandresy lahatra ireo olona rehetra teny an-toerana na mpivarotra na mpandalo  izy sy ny ekipany. Nampafantatra ny fandaharan’asany rehefa  lany ho Ben’ny Tanana an’Antananarivo. Misy  fiatraikany mivantana amin’ny fiainana an-davanandron’ny vahoaka izany.

Manana andraikitra lehibe ny mponina eo amin’ny fampandrosoana ny Tanana, hoy izy. Miantoka ny fampivoarana ny tanana noho izany ny safidy ataon’ny tsirairay amin’ny fifidianana. Manoloana izany, nanentana ireo mponina izy handatsaka vato laharana faha-02 satria manana paika ady hampandrosoana maharitra ny Kaominina Antananarivo renivohitra izy. Tsotra ny antony, efa manana traikefa amin’ny fitantanana izy sady mpandraharaha rahateo.

Betsaka ireo olana sedrain’ny kaominina,indrindra ny resaka fanadiovana sy ny mpivarotra amoron-dalana ary fifamoivoizana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asany laharam-pamehana izany. Manana vahaolana maro amahana izany i Harilala Ramanantsoa ary tsy mila miandry famatsiam-bola akory no tsy andaniana vola be. Nosinganiny  manokana ny mahakasika ny fako eto Antananarivo nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety. « Azo atao tsara hoy izy ny manodina azy ireny ho akora fototra mba tsy ho vesatra ho an’ny kaominina. Nambarany ihany koa fa ho jerena vahaolana maharitra ireo mpivarotra amoron-dalana izay miteraka savorovoro foana. Tafiditra ao anatin’izany  ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny ara-dalana sy ny  fananganana fotodrafitra asa  mifanaraka amin’ny filan’ny mponina.

Mitohy hatrany ny fitetezan’ny ekipan’i Harilala Ramanantsoa, kandida Mada Vision, laharana faha-02 ny tanana an’antananrivo renivohitra.

Lynda A.