Harilala Ramanantsoa: Azo harenina tsara ny tanana an’Antananarivo.

Andro farany amin’ny fampielezan-kevitra, samy nanao izay fara-heriny ny kandida tsirairay tao ny namory vahoaka, nitety tanana,… Ho an’ i Harilala Ramanantsoa, kandida Ben’ny Tanana an’Antananarivo renivohitra, natolotry ny Madavision, laharana faha-02 ao amin’ny bileta tokana, efa hatramin’ny voalohany no tsy nagataka fahazoan-dalana hamory vahoaka ny tenany. Ny laharam-pamehana aminy dia tonga eny am-pelan-tanan’ny mpifidy ny fandaharan’asany. Ankoatra ny fidinana ifotony isam-pokontany nataon’ny ekipan’i Madavision, nampiasa ny hery fahaefatra na ny haino aman-jery ihany koa izy tamin’ny fampahafantarana ny tetikasany. Nisy ihany koa ny fizarana gazety mitondra ny anarana Madavision misy ny vinany rehetra.

Tsy vao haingana no nitsiry tao amin’i Harilala Ramanantsoa ny  hilatsaka ho fidiana fa efa telo taona lasa izay. Nahatsapa ny fitotonganan’ny fiainan’ny mponina  eto Madagasikara, indrindra eto Antananarivo ny tenany ka te hitondra ny anjara birikiny hanarenana izany. « Azo atao tsara ny manarina ny tanana an’Antananarivo fa ny olona tena  handray andraikitra no tsy misy », hoy izy.

Olom-baovao tokoa ity kandida  laharana faha-02 ity, mahaleo tena na firehan-kevitra na ara-bola. Manana traikefa amin’ny fitantanana noho izy efa tao amin’ny sehatry ny  fandraharahana nandritra ny enina ambin’ny folo taona. Nikatsaka hatrany ny tombontsoa ny hafa no nataony tao anatin’izany.

Niainga tamin’ny firesahana tamin’ny mponina no nandrafetany ny fandaharan’asany ho tanterahiny rehefa eo amin’ny fitondrana. Tetikasa tsotra nefa mahomby ary tsy mila miandry famatsiam-bola izany.

Manainga ny mpifidy rehetra hanefa ny adidiny amin’ny 31 jolay ny kandida Madavision, laharana faha-02 fa ny 30mn andehananao no hamaritra ny efa-taonanao.

Lynda A.