HARIFANJA RAZAFINDRAKOTO: Nipaka hatrany Beroroha ny fampandrosoana.

Araka ny tatitry ny Filoham-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta, nisitraka ny  tetikasa fampandrosoana avokoa ny faritra manerana ny Nosy ny taona 2016. Anisan’izany ny fanomezana rano fisotro madio, famahana ny olan’ny  herinaratra, fanamorana ny famindrana lova, fiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana… Sahy nijoro vavolombelona tamin’izany ny Solombavambahoaka voafidy tany Beroroha. “Nisy ny ezaka vitan’ny fitondrana”. Nambarany anefa fa mbola mitohy izany asa izany  hatramin’izao saingy  ao anatin’ny rindra sy lamina fa tsy mirotoroto mba  hioty vokatra tsara. “Ny fisandratana mirindra” no tanjona  amin’ity taona 2017 ity.