HAFARI MALAGASY: “Tsy manao politika kanefa mahasaky hampandroso ny firenena”.

Nampifaly ny vahoakan’Anosizato ny fikambanana HAFARI Malagasy ny sabotsy teo. Tamin’io fotoana io no nizaran’ny fikambanana  fanamiana ho an’ny ekipa iray mpilalao baolina lavalava. Nanararaotra nanolotra  vahaolana  ialana ny fahatapahan’ny jiro ihany koa ny fikambanana.   Ny   fampiasana ny jiro mandeha amin’ny alalan’ny  herin’ny masoandro vokarin’ny orinasa  JIVIMA  no narosony tamin’izany.

“Tsy fikambanana mpanao politika  izahay ary tsy manana eritreritra hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ny taona 2018”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny HAFARI Malagasy,  Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA. Nambarany fa “mahasaky”  hampandroso ny  firenena  ny tenany.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo  ny fihaonan’izy ireo.