HAFARI MALAGASY: Nasehon’ny fikambanana mihitsy fa tsy misy alahelom-bahoaka mitambesatra aminy.

Maro ny siosion-dresaka fa miray tsikombakomba amin’ny  fibodoana tany   miaraka amin’ny orinasa Filatex  ny HAFARI Malagasy. Nasehony mibaribary izany omaly  tsy marina ny fanesoram-potaka atao amin’ny fikambanana.  Mifanohitra amin’izany no niseho satria  nahazo trano fonenana maimaim-poana ireo rava trano teny  Ankadimbahoaka. “ Fiaraha-miasa hanampy ny sahirana no tanjonay fa tsy hitondra alahelo ho an’ny vahoaka izany”, hoy ny  Filoha Nasionalin’ny Fikambanana, Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA.

Ny Filatex mihitsy no nanome ireo trano ireo izay niarahany tamin’ny HAFARI Malagasy. Araka  ny  fanazavana hatrany, hisy foto-drafitra asa hafa hamboarina ho an’ireo fianakaviana rava trano teny Ankadimbahoaka  tsy mbola  manana trano.