Hafari Malagasy: Nahazo famatsiana 16 tapitrisa Ariary

Mbola maro ireo foto-drafitra asa tokony haorina any Soaniadanana, toerana hanatanterahana ny tetikasa « exode urbain ». Nahazo famatsiana 16 tapitrisa Ariary tany amin’ny  » électricité sans frontière » ny fikambanana Hafari Malagasy. Hampidirana herinaratra any an-toerana io vola io. Andrin-jiro miisa 40 no vinavinaina hanaparitahana ny jiro.

Nangataka fihaonana tao amin’ny masoivohon’ny « Algerie » ihany koa ny ity fiarahamonim-pirenena ity hampiroboroboana ny tetikasa, toy ny sekoly, hopitaly,toerana ho an’ny zandarmaria,…

Mponina tsy nanan-kialofana teto an-drenivohitra no ankamaroan’ireo nafindra tany Soaniadanana. Ny Hafari no nandray an-tanana azy ireo. Manampy azy ireo hiala amin’ny fahantrana no tanjon’ny fikambanana amin’ity tetikasa ity ka efa miaina tahaka ny olon-drehetra amin’izao fotoana izao izy ireo. Ny fambolena sy ny fiompiana no tena foto-piveloman’izy ireo raha ny nambaran’ny filohan’ny Hafari, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Miezaka mitady fiaraha-miasa hatrany ny fikambanana hirosoana bebe kokoa any amin’ny fampivoarana ny sosialim-bahoaka.

Lynda A.