GSI: Manofana ny mpianatra ho matihanina.

Azo antoka tsara ny ho avin’ ireo mpianatra mandalo ao amin’ ny oniversite GSI eo amin’ ny lafiny asa noho izy manana fifandraisana amina orinasa. Tsy mena-mitahy amin’ ny hafa ihany koa ny oniversite satria manofana ireo mpiantra ho tonga matihanina amin’ ny sehatra rehetra. Araka fanazavana azo, ny 12 oktobra 2015 ho avy izao ny fanadinana fitsapam-pahaizana idirana taona voalohany ao amin’ ny GSI. Ankoatra ireo sampam-pianarana efa mahazatra sy fantatry ny be sy ny maro: « management des affaires », «  multimedia et communication journalisme », «  informatique de gestion et multimedia », «  genie managment du BTP et architecture », misy lalam-piofanana vaovao toy ny « droit et relations internationales” », « tourisme managment et voyage » ary ny « paramedicaux ».

Efa tamin’ ny taona 2012 no nampihatra ny rafitra LMD na “ Licence-Master-Doctorat” ity oniversite ity ary efa maro ireo manam-pahaizana nivoaka tao aminy nandritra ny 13 nisiany izay, hoy ny filoha mpitantana, Randrianaivo Geremioh.

Miezaka manakaiky ny vahoaka hatrany ny oniversite ka anisan’ izany ny nanokafana ny GSI eny By-Pass. Eny Antaninarenina ny foibeny ary ahitana azy ihany koa eny faritra Analakely sy Itaosy.

Marihina fa nandray anjara tamin’ ny hetsika fampahafantarana ireo anjerimanontolo misy eto Antananarivo mba ho fanampiana ireo ankizy vao afaka Bacc ny GSI. Ny Mada Jeune no nikarakara izany hetsika izany.

Lynda A.