GROUPE ANEFFA: Mpampianatra niasa nandritra ny 25 taona nozaraina fankasitrahana.

Hanitsaka ny taona 2017 indray ny vahoaka Malagasy manomboka rahampitso. Rehefa vanim-potoanan’ny fetin’ny faran’ny taona tahaka izao dia maro ireo ratsa-mangaika no mizara fankasitrahana. Anisany nanao izany ny “Goupe ANEFFA” .  Nozaraina solom-body akoho ireo mpanabe nampianatra nandritra ny 25 taona no mihoatra mivondrona ao anatin’ity sendikan’ny mpampianatra ity. Mampianatra miisa 40 teo no nisitraka izany.  “10 isaky ny CISCO ny mpampianatra nahazo ny fanomezana”, hoy i Lova RANDRIANASOLO, Filohan’ny Groupe ANEFFA.

Nambaran’ity farany fa miainga any amin’ny mpitarika ny fampiroboroboana ny asan’ny fampianarana. “Mariky ny famerenana ny hasin’izy ireo ny hetsika tahaka izao”. Ankoatra izany, entina hanairana ny Ministera miahy azy ireo ihany koa ny ity asa sosialy ity,  fa efa betsaka ireo mpampianatra naharitra ka tokony ho jerena akaiky ny momba azy ireo.