GRANDE BRADERIE: Manolotra karazan’entana hiatrehana ny fiainana andavanandro

Amin’izao vanim-potoana fampidirana mpianatra izao dia sahirana ny ray aman-dreny.  Noho ny fiarahamiasan’ny Mada Vision sy ireo mpivarotra mandray anjara amin’ny Grande Braderie de Madagascar (GBM) dia manolotra karazan’entana ahafahana miatrika ny fiainana andavanandro ary misy fihenam-bidy 15 % no miakatra. Nambaran’ny mpikarakara, Andrianasolo Hery fa mizara roa ny ny entana amidy eny Mahamasina. Ho an’ireo entana vaovao, hiaka farany dia amin’ny vidiny tena izy no hivarotana azy. Misy ampahan’entana kosa ahitana fihenam-bidy izay nahafantarana ny GBM hatramin’izay. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany dia efa iray volana talohan’ny nisian’ny hetsika no efa nsiy ny fanarahamason’ny vidin’entana. Nanomboka ny omaly alakamisy 24 oktobra 2019 ity hetsika ara-barotra andiany fahatelo amin’ity taona 2019 ity ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 27 oktobra 2019. Mpitsidika 20.000 no andrasana amin’izany.

 Lynda A.