GRANDE BRADERIE : Ho mora ny fitadiavana fanomezana ho an’i Neny

Nanomboka omaly 26 mey 2022 etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny Grande Braderie de Madagascar. Ny alahady 29 mey 2022, andro hankalazana ny fetin’ny reny vao hifarana ity hetsika ara-barotra karakarain’ny Mada Vision ity. Maherin’ny 150 ny isan’ny trano heva ary ahitana karazan’entana toy akanjo, kojakojan-dakozia, sakafo, vokatra natoraly, taozavatra sy ny maro hafa. Fepetra handraisana anjara amin’ny Grande Braderie ny fanaovana fihenambidy 15 % amin’ireo entana amidy ka manentana ny mpanjifa ny mpikarakara hanao fanamarihana ao amin’ny biraon’ny Mada Vision raha mahita fa tsy mifanaraka amin’izay ny vidin’entana. « Tsikaritra nandritra ny andro voalohany fa miverina ny fankafizan’ny mpanjifa ny Grande Braderie raha toa ka nijanona ny hetsika tao anatin’ny roa taona. Nahita ireo entana tadiaviny amin’ny vidiny mirary ny mpitsidika », hoy Randrianasolo Hery, mpikarakara ny hetsika. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fetin’ny reny ny hetsika ka « tsy ho sarotra ny mitady fanomezana ho an’i Neny raha mitsidika ny Grande Braderie », hoy hatrany ny mpikarakara. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpitsidika dia miezaka mampidina ny vidin’entana ny mpivarotra fa tsy mionona amin’ny fihenambidy 15 %.

Lynda A.