Grande Braderie de Madagascar: Miompana amin’ny fidiran’ny mpianatra.

Manomboka androany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 04 Septambra ny Grande Braderie de Madagascar, andiany fahatelo amin’ ity taona 2015 ity ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Miompana amin’ ny fidiran’ny mpianatra izy ity ka ny fitaovan’ny mpianatra sy ireo kojakoja ilainy, toy ny fitafiana, kiraro… no tena mibahana ao. Ny fihenam-bidy 15% no mihoatra no tena mampiavaka ny ity hetsika ity hatramin’izay ary anisany fandraisana anjara ho fanampiana ireo ray aman-dreny izany.

Nomarihan’ny mpikarakara, Hery fa 200 eo ny mpandray anjara izay mitsinjara trano heva miisa 300. Ankoatra izay, niavaka kely ity andiany ity satria nisy ny mpandray anjara vaovao toy ny “Fondation Akbaraly”, fikambanana manampy ny vehivavy amin’ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Mandritra ny dimy andro dia hanome toro-hevitra sy hampahafantatra momban’ireo areti-mandoza kanefa azo sorohana sy tsaboina tsara ny fikambanana.

Toy ny mahazatra, hisy ny fanentanana sy fifaninana ho an’ny tanora amin’ny sabotsy ny alahady. Loka maro no hozaraina amin’izany, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Lynda A.