Grande Braderie de Madagascar: Mihena 15% ny vidin’ny fitaovan’ny mpianatra.

Hotontosaina manomboka amin’ny alarobia 30 Septambra ho avy izao ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 04 Oktobra ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina ny Grande Braderie de Madagascar karakarain’ny Mada Vision. Ny fitaovan’ny mpianatra no tena hibahana amin’ ity andiany ity satria trano heva 150 eo no hivarotra fitaovana momban’ny mpianatra fotsiny. Ny fihenam-bidy mihoatra ny 15% no tena mampiavaka ny Grande Braderie de Madagascar ka hampiharina amin’ireo fitaovan’ny mpianatra izany ho fanampiana ny ray aman-dreny.“ Hiaraha-mahalala fa ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny tokantrano ka izany indrindra no andraisanay anjara ho fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ ity hetsika ity”, hoy Harilala Ramanantsoa, tomponandraikitra ao amin’ ny Mada Vision.

Ankoatra ny fitaovan’ny mpianatra, misy ihany koa ny trano heva hivarotra kojakoja ilaina amin’ ny fiainana andavanandro izay efa mpandray anjara mavitrika amin’ ity hetsika ity. Nomarihin’ ny mpikarakara fa 300 no handray anjara mandritra io dimy andro io.

Tsy ho sahirana ny ray aman-dreny amin’ny fitsenana fa hisy ny toerana voatokana hametrahana ireo ankizy, fanentanana ary kilalao maro samihafa ho azy ireo ankizy amin’io fotoana io. Azo antoka ihany koa ny fandriam-pahalemana na ho an’ny mpitsidika na ny mpandray anjara.

Lynda A.