GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo entana ilaina mandritra ny fety

Rehefa fetin’ny noely sy faran’ny taona tahaka  izao dia maro ireo fianakaviana  no tsy manadino mitsidika ny « Grande Braderie de Madagascar ». Ny fihenam-bidy amin’ireo entana amidy no anisany antony hitsidihan’izy ireo izany. Nanomboka ny alarobia 21 desambra ka hatramin’ny sabotsy 24 desambra 2022 ny « Grande Braderie de Madagascar » ho an’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona. Eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no hanatanterahina izany. Tsapa nandritra ny andro voalohany sy  faharoa fa tonga maro ny mpitsidika. Maro tamin’ireo no nahita izay tadiaviny toy ny kiraro, akanjo, kilalao, sakafo sy ny maro hafa. Trano heva 150 no mandray anjara amin’ny Grande Braderie  ary iharan’ny fihenam-bidy 15 % avokoa ireo entana amidy eny an-toerana. “Misy amin’ireo entana aza mihoatra ny 15 % ny fihenam-bidy”, hoy Andrianasolo Hery, tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Mada Vision. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara fa ny mampiavaka ny hetsika dia afaka miantsena am-pilaminana  ny mpianakavy. Nohamafisina ny fiambenana ary misy ny “parking” ho an’ny fiara sy kodiaran-droa. Hisokatra manomboka amin’ny 8 oramaraina ny vavahady  ary mihidy amin’ny 7 ora  hariva.

Lynda A.