GRAND SALON ECONOMIQUE DE MADAGASCAR: Samy hahazo tombony ny mpandraharaha sy ny mpanjifa ary hitombo ny famoronan’asa

Teboka maro no antony hanatanterahana ny « Grand salon économique de Madagascar ». Betsaka ireo mpandraharaha, orinasa vao misandratra kanefa tsy mbola be mpahafantatra ny vokatra vokariny na tolotra omeny. Ao ihany koa ireo efa be mpahalala fa te hampiroborobo ny seha-pihariany. Anisany antony hikarakaran’ny Trait d’Union Madagascar ny « Grand salon économique de Madagascar” izany ho fanampiana tosika ireo mpandraharaha eto Madagasikara. Ho tanterahina ao Toamasina ny 2 ka hatramin’ny 4 mey 2024 ny andiany voalohany ka 120 ny isan’ny mpandray anjara amin’izany, 80% avy eto Antananarivo ary 20 % avy ao Toamasina. Ho hita ao anatin’ny toerana  iray, mirefy 20.000 metatra toradroa, ireo sehatra isan-karazany toy ny indostria, sakafo, fahasalamana, “bien-être”… Mampiavaka azy ity ny fanomezana lanja ny vita malagasy. Hisy trano heva manokana antsoina hoe:“Vita malagasy” hampirantiana sy hivarotana izany.  Ankoatra ireo orinasa dia natao ho an’ireo  tompona tetikasa vao misandratra (start-up) ny hetsika. “Hivarotana sy hampisehoana amin’ny mpanjifa  ny vokatra efa misy sy vao am-piketrehana ary hampifandraisana ireo samy mpandraharaha mba hiteraka fiarahamiasa no tanjona. Samy hahazo tombony na ny mpandraharaha na ny mpanjifa mitsidika ny hetsika”, hoy i Andriamamonjy Stella, mpandrindra ankapobeny ny hetsika, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 23 febroary 2024, teny amin’ny Radisson Blu – Tana Water Front Ambodivona. Nilaza izy fa rehefa mitombo ny mpanjifa dia hitombo ny famokarana ka mety hiteraka famoronan’asa izany.

 “Nosafidiana manokana i Toamasina satria tanàn-dehibe ivon’ny toekarena, seranantsambo voalohany sy lehibe indrindra eto Madagasikara, ivezivezen’ny entana, mampiditra vola be indrindra sy miantoka ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Toerana mahasarika mpizahantany ihany koa i Toamasina noho ny fananany valan-javaboahary”, hoy Rahanjamalalanirina, Tale jeneralin’ny Trait d’union, orinasa misehatra amin’ny serasera sy ny fikarakarana hetsika.  Nambarany fa maro ireo orinasa nisokatra tao Toamasina tao anatin’ny dimy taona nifanesy izay tsy misy mpahalala akory ka “fotoana ampahafantarana azy ireo orinasa izao”. Antony hanaovana ny hetsika ao Toamasina ihany koa ny fisian’ireo orinasa mpamokatra entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) toy ny savony, menaka… Ankoatra ny varotra fampirantiana dia ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra hiresahana ny olana sy handrosoana vahaolana momba ny fandraharahana sy ny toekarena malagasy.

Lynda A.