GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK: Mitady lalana ahafahan’ny tanora ho lasa mpandraharaha

Hetsika manerantany hampivondronana ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny Global Entrepreneurship Week. Firenena 170 no mankalaza azy ity isan-taona. Lohahevitra amin’ity taona 2019 ity ny fanabeazana, ny fampiatiana, ny politika. Ho an’i Madagasikara manokana dia tao anatin’ny efa-taona  misesy no nivondrona ireo mpiara-misehatra amin’ny fandraharahana  ka nanamarika ny herinandro manerantany ho an’ny fandraharahana, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny  Global Entrepreunership Network (GEN) eto Madagasikara, Rahajarijaona Arlette nandritra tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany 18 oktobra 2019 teny Ambatonakanga.

Fikambanana, vovonana, orinasa, sampandraharaha isan-karazany no mikarakara hetsika mandritra ny fankalazana izay atao ny 17 ka hatramin’ny 24 novambra 2019. Nexta, CEENTRE, JCI (Jeune Chambre Internationale), masoivoho an’i Frantsa eto Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa PASSC, Azimuts no efa fantatra fa hanamarika ny GEW. Nambaran’i  Rahajarijaona Arlette fa hetsika natao ampivondronana ny mpisehatra amin’ny fandraharahana toy ny mpandraharaha, tompona tetikasa (start-up), mpamatsy vola, sampandraharaha manome tosika amin’ny fandraharahana, ny governemanta  hijerena ny fomba rehetra hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara ny GEW. Ankoatra izany, entina hanampiana sy hamporisihana ny tanora hiditra amin’ny fandraharahana ihany koa izy ity. Noho izany, miantso ireo mbola vonona hanamarika ny herinandro manerantany ho an’ny fandraharahana ny GEN Madagasikara ary ho avy hanatona azy ireo. Ho lazaina eto ihany ny programa ho tanterahina mandritra ny Global Entrepreneurship Week.

Lynda A.