GEXPROMER: Nomena lakana mandeha motera ireo mpanjono amin’ny faritra Menabe.

Mpanjono :

Anisany sompitra voalohany hanangonana ireo voka-dranomasina ahondrana any ivelany i Morondava sy Belo sur Tsiribihina. Ho fampitomboana ny vokatra, notolorana lakana mandeha motera miisa telo miaraka amin’ny akanjo salotra aina dimy ambiny roapolo ireo mpanjono madinika miara-miasa akaiky amin’ny GEXPROMER.

Voasafidy  hisitraka ny tetikasa SANTATRA  izay iandraketan’ny  Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana  ity fikambanan’ny mpandraharaha manondrana ny  hazandranomasin’i Madagasikara any ivelany ity. Ny vondrona eropeanina no namatsy vola tamin’izany.

Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana, Bakoly RAHERIMANANA fa tao anatin’ny  14 taona niarahana niasa tamin’ireo mpanjono madinika sy nijoroan’ny GEXPROMER,  sambany tamin’ny tantara no nisy famatsiam-bola ka nisitraka izany ny fikambanana. Amin’ny maha tetikasa SANTATRA azy dia santatra ambavarano ihany izao fa mbola hitohy ny tetikasa ho fanatsarana ny asan’ny mpanjono sy fanondranana ny voka-dranomasina.

Mbola hitohy any amin’ny Ambilobe amin’ny herinandro ho avy izao  ny fanomezana amin’ny fomba ofisialy ireo lakana ho an’ny mpanjono mandinika miara-miasa amin’ny GEXPROMER izay eo ambany fiadidian’ny Ministeran’ny harena anaty rano sy ny  jono.