GEXPROMER: Nitohy indray ny fanomezana lakana tany Ambilobe.

Taorian’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo lakana mandeha motera telo niampy akanjo salotra miisa 25 tany Morondava, anjaran’ireo mpanjono tany  amin’ny faritra Diana indray no nahazo izany. Ireo mpanjono miara-miasa akaiky amin’ny GEXPROMER, vondron’ny mpandraharaha manondrana ny hazandranomasin’i Madagasikara mankany ivelany  avy any Antsohihy sy Ambilobe  no nisitraka ny tombontsoa avy amin’ny famatsiam-bolan’ny vondrona eropeanina. Tamin’ny alalan’ny tetikasa SANTATRA izay iandraketan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana no nahafahan’ny GEXPROMER nanome  lakana miisa telo miaraka amin’ny akanjo salotra fito isaky ny lakana ho an’ireo mpanjono ireo. Nambaran’ny Filoha Lefitry ny GEXPROMER, Alain CHAN fa santatra ambavarano ihany izao fa mbola ho avy ny anjaran’ireo mpanjono madinika hafa.

Etsy ankilany, nanamafy ny Tale kabinetran’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana, Patrick RAVOARAHARISON fa rehefa voahajan’ireo mpahazo tombontsoa dia ny GEXPROMER sy ny mpanjono ny  fepetra notakiana  ary nahitam-bokatra ny fanomezana ny  lakana dia hitohy hamatsy vola ny vondrona eropeanina. Voalaza ao anatin’ny fifanarahana nataon’ny roa tonta izao fa ny GEXPROMER no manangona mivantana ny vokatr’ireo mpanjono. Manana adidy hanome ny vokatra ho an’ireo mpikambana ao anatin’ity vondrona ity kosa ireo mpanjono.  Eo ihany koa ny fikojakojana ireo fitaovana.

Entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono fa indrindra ny fampitomboana ny vokatra fanondrana avokoa izany rehetra izany.

Ny zoma faha-24 ny volana febroary 2017  tany Ambilobe, no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo lakana telo anjaran’ny faritra Diana.