GASY YOUTH UP: Mitondra fampandrosoana ho an’ny mponina ny fiarovana ny ala

Hahazoana famatsiambola hanamboarana foto-drafitr’asa toy  ny sekoly, toeram-pitsaboana sy ny maro hafa ny fiarovana ny ala. Mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro ny fiakaran’ny etona mangeja hafanana (GES) toy ny carbone. Anisany mampiakatra GES ny fandripahana sy fandringanana ny ala. Misintona io etona mangeja hafanana io ihany koa anefa ny ala. Misy mividy io carbone sinton’ny ala io ka ny vola azo avy amin’izany no hamatsiana ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa fampandrosoana, hoy ny tomponandraikitry Gasy Youth Up, Razafimanantsoa Lana. Tsy ho azo io vola io hoy izy raha tsy miaro ny ala isika ary tsy mahita vokany ny mpividy fa misintona carbone ny ala eto amintsika. Ny paikady REDD+ no ahafahana mampihena ny etona mangeja hafanana avy amin’ny fandripahana sy fandringanana ny ala tsy ara-drariny sy ahazoana io famatsiam-bola io. Manana anjara toerana amin’ny fampahafantarana ny mponina eny amin’ireny toerana misy ala ireny io paikady io ny fiarahamonimpirenena sy ny vondron’olona ifotony (VOI). Nisy ny atrikasa notanterahin’ny Gasy Youth Up niaraka tamin’izy ireo ny 31 oktobra 2019 teny amin’ny trano malalaky ny biraon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa « miara-mikajy ny tontolo » iarahana amin’ireo mpisehatra momba REDD+ izy ity. Ireo mpisehatra avy amin’ireo faritra dimy misy tetikasa andrana an’ny REDD+ miampy solontenan’ny faritra hafa no nandray anjara tamin’ny atrikasa. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia fijerena ny zava-niseho ny heritaona fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonimpirenana sy VOI momba ny paikady no tanjon’ny atrikasa. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia fijerena ny zava-niseho ny heritaona fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonim-pirenana sy VOI momba ny paikady fa indrindra hanomezana tohana ho an’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, miahy ny REDD+ no tanjon’ny atrikasa.

Lynda A.