Gastronomie Pizza: Miezaka manatsara ny vokatra.

 

Nosafidian’ny FIM hampisakafo ny mpitsidika mandritra ny andiany fahafolo eny amin’ny Forello Tanjombato ny Gastro Pizza. Midika fa maharesy lahatra ny Malagasy ny vokatra vokariny. Mandritra io telo andro, ihany koa dia misy ny toerana natokana ( VIP) ho an’ireo mpandraharaha Malagasy na vahiny ary mbola ny gastro ihany no mikarakara izany. « Anisany hitadiavana fiarahamiasa amin’ireo mpandraharaha vahiny ny fotoana toy izao mba hanamparitahana ny vokatra gastro any ivelany » , hoy ny tale jeneraly lefitra Landry RAKOTONDRAINIBE. Andro iray hampahafantarina amin’ny  mpanjifa ny vokatra vaovaon’ny Gastro, toy ny « fast food », « assiette big love »  ihany koa ity hetsika ity araka ny fanazavana azo. Ankoatra ny efa mahazatra toy ny « glace », pizza,… Miezaka manakaiky ny vahoaka hatrany ny Gastro satria 24 ny toeram-pivarotana manerana an’i Madagasikara ary ny 14 amin’ireo eto Antananarivo. Amin’ny telo taona manaraka dia hovinavinaina hananganana toeram-pitsinjarana ny vokatra, ihany koa, any Fianarantsoa, Toliara, Nosy Be ary Moramanga. Miezaka manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa hatrany ny Gastronomie Pizza. Misedra olana anefa ny orinasa noho ny fahatapahan-jiro matetika ka mangataka amin’ny fitondram-panjakana hanome vahaolana haingana amin’izany.

Lynda A.