Freddie MAHAZOASY: “Tsy mandoa haban-tseranana ny ankamaroan’ny entana ampidirina eto”.

Ambany dia ambany ny tahan’ny famokarana eto Madagasikara. Ny entana hafarana no tena mitobaka eto. Ny indro kely dia tsy mandoa haba ny ankamaroan’ireo mampiditra entana. “Manome lanja ny fifanaraham-barotra ny COMESA saingy tokony ho jerena akaiky ihany ny seha-pamokarana eto amin’ny firenena”, hoy ny Solombavambahoaka sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena an’ny faritra Antsiranana, Freddie MAHAZOASY.  Anisan’ny mahatonga ny fiakaran’ny salan’isan’ireo tsy an’asa mantsy ny tsy fisian’ny orinasa mpamokatra. Manampy trotraka ihany koa ny fidiran’ny vokatra maro be avy any ivelany.  Na dia misy orinasa mpamokatra ihany aza eto dia tsy maharakotra ny velaran-tanin’i Madagasikara sy tsy afaka mifaninana ny avy any ivelany.

Noho izany, mila ampiana tosika ny sehatra tsy miankina mba ahafahan’ny orinasa mamokatra mihoatra lavitra ny avy any ivelany. Amin’izay fotoana izay, teraka ny famoronan’asa. Etsy ankilany, nambaran’ity solombavambahoaka ity fa tokony ferana ny fampidirana  entana eto ary an-tsahatra ireo tsy mandoa haban-tseranana.