FRANCINE RANAIVO : Mila mamolavola sata ny vahoaka sy ny mpitondra

Miara-manao sonia. “Mbola tsy nahita olona afaka hihaino azy ny vahoaka hatramin’izao”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Alliance Internationale des femmes de France et Madagascar (AIFM), Francine Ranaivo mampatsiahy ny teny nolazainy  nandritra fivahinianany tao amin’ny televiziona afrikanina “télésud” ny 28 novambra 2018. Nambarany tao anaty ny fandaharana fa mitady olona afaka hihaino azy ny vahoaka. Ankoatra ny maha filoha mpanorina ny AIFM azy dia mila ravinahitra ao Paris izy. Anisany mpanao gazety nitantana ny gazety voalohany teto Madagasikara ny rainy. Xavier Ranaivo no anarany itompokolahy. Nandritra ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 ireny dia efa niteny ity zanaka mpanao gazety ity fa “na dia hiroso amin’ny fifidianana fihodinana faharoa aza isika dia tsy fanirian’ny vahoaka izany. Handeha hifidy izy ireo mba hanatanteraka ny adidy”. Noho izany, mila manome izay tadiavin’ny vahoaka ny filoham-pirenena ho lany eo, araka ny fanehoan-keviny. Ao anatin’izany ny fahatsaram-piainana, ny fahafahana ny Malagasy rehetra miara-miaina lavitry ny fampitahorana sy fampihorohoroana”.

Fifanarahana

 “Rehefa niresaka tamin’ireo mpila ravinahitra (diaspora) amiko aty Frantsa aho dia mila mamolavola sata ny vahoaka sy ny mpitondra”, hoy izy. Ho soniavin’ny roa tonta izany ary omena fe-potoana ny mpitondra, ohatra enim-bolana ka jerena aorian’izay raha niova ny fiainan’ny tsirairay. “Tsy misy vahaolana ankoatra izay”, hoy  hatrany i Francine Ranaivo. Io sata io no hamatotra ny filoham-pirenena ka hifanarahana ny fepetra ho raisina raha toa ka tsy nisy fampandrosoana vanona. Mbola nohamafisiny ihany koa fa hanao izay azony atao ireo diaspora mba ahafahan’izy ireo mifidy.

Lynda A.