FOTOTRY NY HOMAMIADANA: Avy amin’ny sakafo ny ankamaroany

Nitombo ny olona voan’ny homamiadana  avy amin’ny sakafo teo anelanelan’ny taona 1995 ka hatramin’ny 2015, araka ny fanambarana nandritra ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny sakafo ara-pahasalamana. Ny 07 jona 2018 teo no nanatanterahina izany tao amin’ny tranoben’ny varotra Antaninarenina. Nomarihana tamin’ny alalan’ny famelabelarana narahina adi-hevitra momba fihinanana sakafo madio sy ny voalanjalanja ny fankalazana ity andro manerantany ity raha ho an’i Madagasikara no resahana. Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny firenena mikambana momba ny sakafo sy ny famboelana (FAO), ary ireo mpiantsehatra rehetra misahana ny resaka sakafo eto amintsika toy ny ministeran’ny fambolena, ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa…

Ody biby

Ny fampiasan’ny mpamboly ody biby amin’ny voly no isan’ny mahatonga ny homamiadana avy amin’ny sakafo. Hitehirizana ny vokatra tsy ho simba no antony ampiasain’ny mpamboly azy. Nohazavain’ny dokotera Miraho Felaniaina Rajemiarimeolisoa, filohan’ny komity nasionalin’ny “Codex Alimentarius” na CNCA fa tokony hajaina ny fepetra fampiasana ireny ody biby ireny. Efa misy ny fetr’andro voafaritra amin’ny fampiasana azy. Raha dila izany dia tsy azo hohanina intsony ny vokatra. Matetika anefa tsy hajain’ny mpamboly izany. Manentana ny mpamboly ny filohan’ny CNCA mba hanaraka ny fepetra amin’ny fampiasana ny ody biby. Mamporisika ny mpanjifa ihany koa izy ho zatra hanadio ny vokatra mialohan’ny hampiasana azy.