FORCES DE CHANGEMENT: “Tsy maintsy tanteraka ny fiaraha-mitantana”.

Miroso hatrany ny famolavolana ny fandaharan’asa ho entina  hiaraha-mitantana ny firenena mialoha an’ny fifidianana 2018  ataon’ny hetsika « Forces de Changement ». Hevi-dehibe roa   no iompanan’ny hetsika. Ao anatin’izany fijerena ny olan’ny fandriam-pahalemana sy  ny ady amin’ny kolikoly. Namaly ny tenin’ny governemanta  i Maharavo RATOLONJANAHARY fa tsy maintsy miroso amin’ny fiaraha-mitantana  ny firenena ny fitondrana ankehitriny mba  tsy hiveranan’ny fomba fanao ratsy  teo  aloha nataon’ny mpanao politika sy ny fitondrana nifanesy.

Ho faritana ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-mitantana mihitsy  ireo fomba fitantanana tsy nahomby  fa vao maika nampahantra an’ i Madagasikara ka mila fanovana.   Eo ihany koa ireo toetr’ireo mpanao politika ka nampalahelo ny vahoaka ary tsy mila mamerina izany  intsony.