FORCES DE CHANGEMENT: “Namany manome alalana ny fahanginan’i Prefet”.

“Matoa tsy mbola mamaly an-taratasy ny fangatahana hanao hetsi-bahoaka ao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny eo  anivon’ny prefektiora an’Antananarivo Renivohitra, namany manome alalana ny Forces de Changement hanao izany”, hoy i Maharavo RATOLONJANAHARY, Mpitondra tenin’ny vovonana. Nambarany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa tokony an-tsoratra no hamalian’ny Prefet ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana fa tsy am-bava.

Rahampitso 22 Aogositra 2017 no hanatanterahan’ny Forces de Changement ny fihetseham-bahoaka na manaiky na tsia ny Prefet.

Marihina fa efa nahazo alalana tamin’ny Kaominina an’Antananarivo Renivohitra ny vovonana.