FORCES DE CHANGEMENT: Mahatsiaro ireo vahoaka madinika ihany ny fitondrana rehefa…

Resahana foana fa avo dia avo ny tahan’ny tanora tsy an’asa. Anisany mahatonga izany ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana. Ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny aza tsy vitany. Manoloana izany, hanambatra ny heriny ny tanora mivondrona ao amin’ny Forces de Changement hanangana rafitra  tokony hitondrana ny firenena fa indrindra ny fampandraisana andraikitra ny tanora ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Rahampitso, zoma 23 jona 2017, hanatanteraka fivoriana eny amin’ny Live Hotel Andavamamba izy ireo. Manasa ireo tanora hafa mitaky fiovana   ireto tanora  mpikambana ao amin’ny  Forces de  Changement ireto.

Ankoatra ny fanambarana nataon’ity farany momba ny fitantanana ny firenena ankehitriny, naneho ny heviny ihany ny mponina  etsy “La réunion kely”. Rehefa akaiky fifidianana ihany vao mba mitodika amin’izy ireo ny fitondram-panjakana. “Mihazakazaka ery ry zareo hanakarama anay  amin’ny 3000 ka hatramin’ny 5000 Ariary”, hoy ny Filohan’ny “La réunion kely”. Nohamafisiny fa tsy fotoana mandalo ihany no tokony hampiana ireo vahoaka madinika. Noho izany, manao antso avo hijery akaiky azy ireo ihany koa ny  Radoniana, mpitarika ny mponin’i “La réunion kely”.