FORCES DE CHANGEMENT: Hiroso amin’ny izay mety ho endrika fanoherana.

Mitohy hatrany ny tetik’ady  izay heverin’ny Forces de Changement  fa hamongorana  ny fitondrana tsy mahomby, mampahory ny vahoaka. Ny fiaraha-mitantana izay misy sata mifehy no fepetra iray ahatongavana amin’izany. Indrisy anefa fa araka ny fanazavan’ny mpitarika, Maharavo RATOLONJANAHARY  na i Doudou  dia efa namaly ny antoko politika  HVM, miara-dia amin’ny Filoham-pirenena  Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa tsy hanaiky izany fiaraha-mitantana mandra-pahatongan’ny fifidianana 2018 izany.

 Manoloana izany, notapahin’ny mpikambana ao anatin’ny Forces de Changement fa hijoro ho mpanohitra ny fitondrana ankehitriny izy ireo. “Izay mety ho endrika fanoherana dia ho ataonay”, hoy  i  Doudou.

Manentana ireo vondrona politika, mpitondra fivavahana, vahoaka iray manontolo, mahatsapa  fa tsy misy fampandrosoana vanona entin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, hiara-hientana amin’ny Forces de Changement.

Ankoatra ny fandaminana ny paik’ady rehetra hirosoana amin’ny dingana manaraka, hisy ny fidinana any amin’ny faritra ho fanentanana ny Malagasy rehetra.