FONDATION TERRA: Mikarakara fifaninanana “cleaning challenge”

Afaka manatrika ny fiofanana na tsy mpandray anjara aza. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 11 septambra 2021 teny Ambodimita ny hetsika “cleaning challenge”.  Ny Fondation Terra no mikarakara azy ity. “Tao anatin’ny telo taona no niketrahana ny Fondation Terra. Misy orinasa telo mivondrona ao amin’ny Terra Group: ny Agricom, mpamokatra, mpamatsy fanafody sy fitaovana momba ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana; ny  Ferme d’Ivato, mampiasa fanafody biolojika, mamokatra huile essentielle, legioma voankazo; ny  hôtel Combava”, hoy i Lalatiana Robine, Tale jeneralin’ny Terra Group. Ireo mpiasa ao amin’ny Terra group no mandray anjara amin’izany. Tokantrano 13 no mpifaninana. Mandritra ny roa volana ny faharetan’ny fifaninanana ka isan-kerinandro dia hahazo fiofanana izy ireo. Lohahevitra ho resahana amin’izany ny fanadiovana, ny fahadiovana sy ny fahasalamana, ny fandaminana. Nambaran’i Lalatiana Robine fa afaka manatrika ny atrikasa fampiofanana na dia tsy mpandray anjara aza ary maimaim-poana izany. Vinan’ny Fondation rahateo ny hoe: “mandroso miaraka hatrany”.  Nohamafisiny fa noho ny  fahatsapan’ny mpiara-miasa fa mila mandray andraikitra, tsy eo anivon’ny orinasa ihany fa eo amin’ny fiainana andavanandro no namoronana ny Fondation Terra. “Mila mandray andraikitra hampiova fomba fijery, fomba fanao”, hoy  izy.

Marihina fa amin’ny alalan’ny sary, maneho ny fahadiovana, fandaminana, alefan’ny mpandray anjara no hitsarana azy ireo.  Hisy ihany koa ny fitsidihana tsy misy fampilazana  ny tokantranon’izy ireo ary anisany hahazoana naoty izany. Izay manana  naoty ambony indrindra no mahazo ny loka voalohany: 2 tapitrisa Ariary miampy ny amboara “Clean Family Terra”. 500.000 Ariary kosa ny ny loka  ho an’ny laharana faharoa.

Lynda A.