FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Mifanome tanana ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Foire économique et commerciale des 23 régions » teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny 25 novambra 2021 ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana sy ny  Governoran’ny Faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin. « Ny Antenimierandoholona dia natao hiaro ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, misy ny région.  Izao foara izao, taorian’ireny krizy nanjo ny firenena ireny, natao hampiroboroboana ny indostria, ny taozavatra, ny fihariana ara-toekarena manerana ny faritra 23 eto Madagasikara. Tsy maintsy mifanome tanana isika amin’ny fanarenana ny toekarena”, hoy ny ny Filohan’ny Antenimierandoholona.

Mpandraharaha madinika, salantsalany ary vaventy an-jatony no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Hita eny an-toerana avokoa ireo sehatra isan-karazany toy ny sakafo, lamba, asa tanana, fifandraisan-davitra, fahasalamana, ny reny sy ny zaza, fiompiana sy fambolena… Any amin’ny faritra 9 eto Madagasikara ihany koa dia ahitana ny « Foire économique et commerciale des 23 régions ». Misy amin’ireo mpandraharaha  any amin’ny faritra no niakatra eto Analamanga ary mandray anjara ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Fampifandraisana ny mpandraharaha manerana ny faritra ho fampiroboroboana ny varotra anatiny no nahatonga ny Mada Vision nikarakara ity foara ity. Ankoatra ny varotra fampirantiana, ho velabelarina mandritra ny foara ny seha-pihariana azo trandrahina sy ampiasam-bola manerana ny faritra, ny tohana omen’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina.

Lynda A.