FOIRE ECONOMIQUE-COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Ahafantarana ireo sehatra azo ampiasam-bola

Samy hahazo tombony na mpandraharaha na ny mpitsidika. Fanararaotra maro no hita mandritra “Foire économique-commerciale des 23 régions ». Ny 25 ka hatramin’ny 28 novambra 2021 no hanatanterahana izany. Samy amin’io fotoana avokoa no hitrangany izany any amin’ny faritra. Faritra 12 no hampiantrano ny foara fa mandray anjara avokoa ireo faritra 23. Eny amin’ny kianja Barea no hanatontosaina ny eto amin’ny faritra Analamanga. “Hampiroborobo ny varotra anatiny no tanjon’ny foara. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra ka ny fiarahamientana no vahaolana ahafahana mampandroso ny varotra anatiny”, hoy Ramanantsoa Harilala, tomponandraikitry ny Mada Vision, mpikarakara ny hetsika.

Ankoatra ireo mpandraharaha, orinasa madinika, salantsalany ary vaventy dia mandray anjara amin’ny “Foire économique-commerciale des 23 régions » ihany koa ireo ministera isan-tsokajiny. Maro ny tohana azo hanampiana ny mpandraharaha eny anivon’ireny ministera ireny saingy matetika tsy fantatry ny olon-drehetra. “Haneho sy hizara ny mety fanohanana izay misy eny anivon’ny ministera ho an’ny mpandraharaha na sehatra tsy miankina ireo ministera mandray anjara”, hoy Ramanantsoa Harilala. Varotra fampirantiana ho entin’ny orinasa isan-karazany, fampahafantarana ireo tolotra fanohanana ny orinasa na ho an’ny olona mitady asa ary fampahafantarana ny fandraharahana azo atao hanodinam-bola na eto Analamanga na any amin’ny faritra hafa no hita mandritra “Foire économique-commerciale des 23 régions ». Marihina fa nikarakara fivoriana niarahana tamin’ireo mpandray anjara eto amin’ny faritra Analamanga, ny 17 novambra 2021 ny Mada Vision ho fanamafisana farany ny fanomanana.

Lynda A.