FOARA RENALA MORONDAVA 2017: Hampahafantatra ny seham-pihariana mampiavaka ny faritra Menabe.

Nahomby ny andiany faharoa tamin’ny tsena ara-toekarena izay natao teto Morondava. Nisy ny orinasa niorina izay mandray mivantana ireo drakaka  ahondrana any ivelany taorian’ny hetsika. Tratra ny tanjona ka hiroso amin’ny andiany manaraka indray. Amin’ny volana aogositra ho avy izao ny andiany fahatelo ho an’ny foara ara-ekonomika Renala Morondava 2017. Mazava ho azy fa ao Morondava ihany no hanatanterahana izany.

“Hiavaka ity andiany ity  satria hitambatra ao avokoa na ny ara-koltoraly na ara-tsosialy  fa indrindra ny ara-toekarena”, hoy ny Lehiben’ny Faritra, Gilbert Romain.

Ankoatra izany, hampivondronana ny distrika mandrafitra ny faritra Menabe ny hetsika satria ho hita mandritra ny foara ireo seham-pihariana rehetra mampiavaka ny distrika tsirairay avy.

 Sehatra iray hisintonana ireo mpiara-miombona antoka sy mpamatsy vola mba tsy hisalasala fa hanampy  sy hiara-hiasa amin’ny faritra Menabe noho izany no tanjona eto.