FITSARANA AMBONY TOAMASINA: Voavadika nomerika avokoa ny dosie rehetra.

Tsy voatery miandry ny fitondram-panjakana foana   vao afaka  mampandroso sehatra iray. Tsy hisy fampandrosoana vanona raha izany no handrasana. Noho izany mila mampiasa ny eo am-pelatanana na fahaizana izany na fitaovana na vola. 

Ho an’ny fitsarana ambony Toamasina, finiavan’ny Procureur Général (PG), ANDRIAMIHANGY   Georges Florence no nahavitana namadika ny dosie rehetra ao amin’ny fitsarana  ambony  ho  nomerika. Vokany, lasa mora kokoa mikaroka ny raharaham-pitsarana rehetra nanomboka ny taona 2002 no mankaty.

Etsy ankilany, tsy miandry fotoana ela be intsony ireo  olona manana dosie karohina ao amin’ity fitsarana ity satria efa voarakitra ao anaty solosaina avokoa ny mombamomba izany toy ny didim-pitsarana, ny laharan’ny dosie… “Hatramin’izay, adiny roa vao hita ny dosie iray. Ankehitriny kosa, dimy minitra monja dia efa hita izany noho ny famadihana azy ho lasa nomerika”, hoy i Christian TSIANIGNA, Lehiben’ny  Mpirakidraharaha  eto amin’ny fitsarana ambony Toamasina.

Nambaran’i PG fa mampitarazoka ny asa eny anivon’ny fitsarana ny fikarohana dosie  ao anaty “archive”. Noho izany indrindra no nahatonga ny tenany nitady vahaolana hamahana izany.  Ny fitehirizana ireo antontan-taratasy ao anaty solosaina no fepetra noraisina.

Ankoatra ny fanamorana ny asa, entina iadiana amin’ireo mpanera ny fampiasana ity teknolojia ity. “Betsaka ireo voafitaka amin’ny fikarohana dosie eto amin’ny fitsarana. Eo ny hakanosana hanatona ny tomponandraikitra  voakasika   noho ny fahelan’ny  fotoana nisian’ilay dosie na tsy fitadidiana ny laharan’ny dosie ohatra  ka tsy maintsy miandry ela be  vao hita…  Ireo mpanera  no mahazo  vahana satria mangataka vola amin’ilay olona manana raharaha  izy ireo ary milaza fa afaka mijery ilay dosie tadiavina. Mifanohitra amin’izany anefa no mitranga. Ankehitriny, foana izany satria na dia dosie efa ela be aza no karohina dia hita foana noho ny fampiasana ny teknolojia.