FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY : Fahapotehana fa tsy fampandrosoana no vokatra azo.

Tsy voahaja ny zon’ny fananan-tany raha ny fitrandrahana ataon’ny sinoa no jerena. Lavaka  sisa no avelan’ireo mpitrandraka. Tsy ahitana fanarenana akory izany avy eo. “Rehefa miresaka  fitrandrahana mantsy dia  tsy maintsy misy fandavahana. Fahapotehana fa tsy fampandrosoana noho izany no vokatra azo”. Nambaran’ny Mpandrindra nasioanalin’ny SIF, Eric RAMPARISON, fa tsy eto Antananarivo ihany no mitrandraka  ireo sinoa fa efa manenika an’i Madagasikara izany.Izany no fantatra dia tamin’ny fivoriana nihaonan’ireo mpiantsehatra miaro ny zon’ny fananan-tany toy ny SIF,  ny SIAM, ny fiarahamonimpirenena…

Nandritra ny telo andro, nikaon-doha hamahana ny olan’ny fananan-tany izy ireo. Nivoitra tamin’izany fa hatsangana ny  drafitra ahafahana  mihaino ireo iharan’ny tsindry hazo lena. Ao anatin’ny telo volana eo no hamolavolana azy.

Mampandringa ny fiarovana ny zon’ny fananan-tany ihany koa ny tsy fahafantarana ny lalana. Noho izany, hohamafisina ny fampahafantarana  an’ity farany.

Araka ny fanazavana, ny fisian’ny rafitra iray manome alalana ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka dia sehatra iray azo hamahana ny olan’ny fananan-tany.