FITANTANANA NY FANANANTANY: Ho atsangana ny vovonana fifampiresahana marolafy eo amin’ny sehatra nasionaly

Miankina amin’ny fananantany ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Feno 10 taona ny nametrahana ny torolalana an-tsitrapo momba ny fitantanana ny tomponandraikitra amin’ny fananantany, ny jono ary ny ala (VGGT). Ho fanamarihana izany dia nikarakara dinika nasionaly i Madagasikara ny 19 oktobra 2022 teny amin’ny hotely Panorama Andrianarivo.  Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF) , ny ministeran’ny fananjariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananantany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny toy ny International Land Coalition (ILC), ny sampandrahaharan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO) ary ny mpiara-miasa teknika alemana (GIZ). Anisany vokatra nandrandraina tamin’ny atrikasa ny fametrahana vovonana fifampiresahan’ny mpisehatra samihafa isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany amin’ny alalan’ny didim-panjakana. “Anisany soso-kevitra voafaritra ao amin’ity torolalana ity ny fananganana vovonana hifampiresahana. Karazana vovonana hanaovana fifanankalozan-kevitra maharitra ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy vahoaka no apetraka fa tsy hiandry misy olana foana vao hiresaka », hoy Raparison Éric, mpandrindra nasionalin’ny SIF.  Tanjona hoy izy ny ahafahana miroso amin’ny fahavitantena ara-tsakafo nefa miaro ny tontolo iainana lovainjafy.

Manatsara ny famokarana any ambanivohitra

 Nambaran’ny Filohan’ny SIF sady filohan’ny vovonana misahana ny fambolena ovy ao Vakinankaratra, Rakotomalala  fa zava-dehibe ny fananganana vovonana ahafahana mandrindra ny fitantanana ny fananantany sy ny fambolena. “75 %-n’ny sakafo hohanin’ny Malagasy dia avy amin’ny famokarana tantanam-pianakaviana kanefa atao ankilabao.  Raha misy fangatahana any ivelany dia mbola ho an’io [famokarana tantanam-pianakaviana] io nefa tsy mandroso akory. Ao amin’io no misy mahantra indrindra. Zava-dehibe ny fametrahana vovonana hifampiresahana, handinihana ny politika hampisakafoanana ny Malagasy sy hijerena ireo tantsaha mifofotra amin’ny famokarana ny sakafo hohanintsika », hoy izy. Nahazo fankatoavan’ny Komitin’ny Fanjariantsakafo Manerantany (CSA) tamin’ny mey 2012 io torolalana an-tsitrapo momba ny fitantanana ny tomponandraikitra amin’ny fananantany, ny jono ary ny ala mba hirosoana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo ho an’ny rehetra. Fikambanana iraisam-pirenana marobe no nandray anjara tamin’ny famolavolana azy ary nandalo fifampidinihana sy fifampiraharahana tamin’ny volana jolay 2011 hatramin’ny martsa 2021. “Ho famporisihana ny mpisehatra hiroso hatrany amin’ny fandrindrana fitantanana ny fananantany, tontolo iainana ary ny jono ny fananganana vovonana, araka voalazan’ny andalana 26.2 ao amin’ny torolalana momba fitantanana ny fananantany”, hoy Essimi Biloa Alain Christian , tomponandraikitra ao amin’ny ILC.

Fotoana niresahana  bebe kokoa ny fomba hanatsarana ny fitantanana ny tany amin’ny alalan’ny fanajana ny zon’ny mpiompy madinika ary ny famoronana tontolo  ahafahana manatsara ny fiveloman’ny vondrom-piarahamonina any ambanivohitra ihany koa ny dinika nasionaly notontosaina ny 19 oktobra 2022.

Lynda A.