FITAKIAN’NY MPAMPIANATRA: Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana

Miantso ny mpampianatra  hiverina hampianatra ny ministry ny Fanabeazam-pirenena (MEN) teo aloha, Paul Rabary. Nambarany fa tsy ho voavalin’ny fitondram-panjakana iray manontolo ny fitakiana ataon’ireo mpampianatra mitokona.  Noho izany, “aleo ny tombontsoan’ny mpianatra no katsahina”, hoy izy tamin’ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018.

Mbola tsy very fanantenana i Paul Rabary ka niova loko maitso. Manomboka manao fidinana ifotony izy ka tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana no nanaovany izany.  “Tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina ny foto-drafitrasa ataon’ny fanjakana. Ilaina ny fihainoana ny mponina mba hifanaraka amin’ny hetahetany ny fampandrosoana”, hoy i Paul Rabary. Anisany manana vahaolana manoloana ny fitakian’ny mpampianatra ity ministra ny MEN teo aloha. Mena ambany mena izy tamin’ny nitantanana ny ministera ka tsy afaka namaha io fitakiana io. “ Efa aty amiko ny lakilé”.