FISOTROAN-DRONONO: Hiroso amin’ny “fanafoanambainga”

Nanao fitsidihana tsy nampoizina tamin’ireo toerana isan’ny be mpandray “pension” indrindra ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, Randriamandrato Richard niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, Herivelo Andriamanga, ny marainan’ny 18 febroary 2019. Ny Paierie Générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette Générale d’Antananarivo (RGA) ary ny Perception Principale eny Atsimondrano no nandalovany tamin’izany.  Nosafidiana manokana io andro voalohan’ny fizarana « pension » io mba ahafahany mijery mivantana ny zava-mitranga. Talanjona ny ministra sy ny tale jeneraly nahita ireo mpivarotra amoron-dalana mibahana eo anoloan’ny Perception Principale Atsimondrano, hany ka lasa ireo zokiolona indray no mihafihafy milahatra ao aorian’izy ireo. Tokony hojerena noho izany hoy ny Minisitra ny hanalàna ireo mpivarotra ireo na dia ny andro voalohan’ny fizarana fisotroan-dronono fotsiny aza. Noresahana ihany koa ny tokony hijerena toerana malalaka kokoa mba ahafahana manome fahafaham-po ireo mpisitraka any Atsimondrano.

Raha ny fanazavan’ny tale jeneraly ny tahirimbolam-panjakana, Herivelo Andriamanga, dia efa nisy fanatsarana nentina mba hanafainganana ny fizarana « pension » ary mbola mitohy izany fikatsahana fanatsarana izany. “Zava-dehibe ny fanomezana fahafaham-po ireo mpisitraka sy ny tokony ahafahan’izy ireo mifidy izay fomba tiany handraisany ny volany. Mila miroso amin’ny fanafoanambainga na « dématérialisation » isika mba ahafahana manao izany”, hoy ny ministra. Isan’ny nafarany ihany koa ny tokony hitazomana ny fenitra amin’ny resaka trano sy ny tokony hahatsara endrika hatrany izany.

Nangonin’i Lynda A.