FIRENENA TSARA INDRINDRA AZO TSIDIHANA: Laharana faha-enina i Madagasikara

Tafiditra ao anatin’ireo firenena folo tsara indrindra i Madagasikara. Nosokajian’ny gazety boky  momba ny toe-karena, malaza indrindra any Amerika “Forbes”  ho eo amin’ny laharana faha-enina azo tsidihana ny firenentsika amin’ity taona 2019 ity. Noho ny fananantsika zava-boahary maro isan-karazany fa indrindra tsy fahita raha tsy eto amintsika no naharesy lahatra ny gazety boky Forbes nanasokajy an’i Madagasikara ho anatin’ny “Top 10”.

Aorian’ i Ethiopie ny laharana misy antsika. Tamin’ny alalan’ireo manam-pahaizana momba ny fitsidihana toy ny “tours opérateurs” no nahafahana namoaka io “top 10” io. Nohamafisin’i Forbes fa nosy faha-efatra mahasarika mpizahan-tany be indrindra i Madagasikara noho ny zava-maniry sy zava-manan’aina mampiavaka azy.  Nilaza tao anatin’ny Forbes i Norman Howe, tomponandraikitra voalohany ny « agence de voyage » ao Canada fa tena tsara ny firenentsika noho ny fahatsaran’ny zava-boahary. Nambarany ihany koa fa tsy misy afa-tsy eto amintsika ny 90 % ny zava-maniry. Nanaitra ny sain’ny maro ny lahatsoratra navoakan’i Forbes momba an’i Madagasikara ka nisy nanao fanamarihana. Anisan’izany ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Raha nivahiny tamin’ny televiziona iray ny ministry ny fizahan-tany, Brunelle Razafintsiandraofa  dia nilaza fa ny fampiasana ny “dina” any amin’ny faritra sy ny “andrimasom-pokonolona” any amin’ny tanàna tsirairay avy  no famerenana haingana ny fandriam-pahalemana sy fiantohana ireo mpizahan-tany. Enga anie ka ho tombontsoan’ny sarambabembahoaka ny fitomboan’ny mpizahan-tany amin’ity taona ity.

Lynda A