FIRAISANA FAHAENINA: Nanantanteraka ny fampanantenany ny Ben’ny Tanana.

Notolorana nandritra ny varavarana misokatra ireo fitaovana ampiasan’ireo mpanasa lamba ao amin’ny toerana fanasan-damba ao amin’ny Boriborintany fahaenina. Efa fampanantenana nataon’ny Ben’ny Tanana an’Antananarivo Renivohitra izao fanomezana izany, araka ny fanazavan’i Fehizoro ANDRIAMANANJEZIKA, Delegen’ny Firaisana fahaenina.

Zava-dehibe ho an’ny Boriborintany fahaenina  ny hetsika izay notontosaina tamin’ny 16 sy ny 17 jona 2017 lasa teo. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra fa fotoana ahafahana mampahafantatra ny zava-misy  eny amin’ny firaisana  amin’ny mponina ny varavarana misokatra tahaka itony.

Fampiratiana ireo andraikitra sahanin’ny boriborintany,  fifaninanana  ara-panatanjahantena sy tsikonina… no nameno ny programa nandritra ny roa nisesy.

Marihina fa  nisy ny fizarana loka ho an’ireo telo voalohany nandray anjara tamin’ny fifaninanana hazakazaka, tsikonina. Ny Orange izay orinasa mpanohana ny hetsika no nizara izany.