FIOFANANA MOMBA NY ZELCAF : Natao ho an’ireo vehivavy mpandraharaha manondrana na te hanondrana entana ao Afrika

Vehivavy mpandraharaha malagasy miisa 40 no mandray anjara amin’ny atrikasa fampiofanana momba ny fifanankalozana ara-barotra eo amin’ny tsena afrikanina na ZELCAF (Zone de libre-échange Continentale Africaine). Ny COMESA Federation of Women in Business (COMFWB)  na « Fédération des associations nationales des Femmes d’affaires de COMESA » miaraka amin’ny ITC (International Trade of Commerce) ary ny COMFWB Madagascar Chapter no mikarakara  ny fiofanana. Mandritra ny roa andro ny  atrikasa, nanomboka ny 09 jona 2022 ary nifarana ny  zoma 10 jona 2022 teny Ambodivona. Ho resahana tao anatin’ny fiofanana ireo fanararaotra ara-barotra sy ny fanamby tsy maintsy atrehana  ao amin’ny ZELCAF, ireo seha-pihariana  be mpitady eo tsena afrikanina, ny fanomanana ny fanondranana toy ny fomba atao hampahafantarana ny orinasa, ny fampiasana marketing digital… « Mikararaka fiofanana ho an’ny vehivavy mpandraharaha matetika ny COMFWB miaraka amin’ny ITC ho fampahafantarana  ireo fanararaotra ara-barotra. Tanjon’ny  COMFWB ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ZELCAF. Hanampy ireo vehivavy mitantana  orinasa ihany koa ity  fiofanana ity amin’ny fahazoana lalam-barotra sy ahafahan’izy ireo miatrika ny sakatsakana rehetra amin’ny  dingana arahina amin’ny fanondranana entana », hoy Razakaboana Fanja, mpitarika ny COMFWB Madagascar Chapter nandritra fanokafana ny fiofanana. Nambarany fa manomana an’ireo vehivavy mpandraharaha  misehatra amin’ny fanondranana tafiditra na te hiditra ao anatin’ny fanondranana amin’ireo firenena afrikana ihany koa ity fampiofanana ity. Tombony ho an’ny firenena mikambana ao amin’ny ZELCAF ny fanafoanana ny 90% ny hetra  aloa eny amin’ny  fadintserana  ho fanamorana ny fivezivezen’ny entana. Tsy mbola nanasonia ny  fampiharana io  fifanarahana  io i Madagasikara ary mitaky hanatanterahana izany ireo vehivavy mpandraharaha.

Ra-Nirina