FIKAMBANAN’NY MPANAO GAZETY MIKIRAKIRA VAOVAO MOMBA NY TONTOLO IAINANA (AJE): Miantoka ny fiainan’ny any ambanivohitra sy an-drevohitra ny fambolen-kazo

Tsy mahita rano ho sotroina ny mponina. Namboly hazo teny amin’ny sahan’ny SAF FJKM Soavina Ambanintsena ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira vaovao momba tontolo iainana  (AJE) ny sabotsy 11 martsa 2023. Fanindroany amin’ity  no namboly hazo teny  an-toerana  ny fikambanana. Ny volana desambra 2019 ny voalohany. Zanakazo miisa 250 ahitana karazany toy ny zacaranda, frêne, acacia ary kafe no nambolen’ireo mpikambana niaraka taminy vady aman-janany. Tsy tanteraka ity hetsika ity raha tsy teo ny fanohanan’ny orinasa Ambatovy, Star, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy, ny Ministeran’ny fiarovampirenena. « Miankina amin’ny tontolo iainana avokoa ny zava-drehetra na ny fiainana any ambanivohitra na tanan-dehibe, ny fampandrosoana, fampandehan-draharaha eo anivon’ny firenena.  Hita sy tsapa ihany koa ny fiovaovan’ny toetrandro ka izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira vaovao momba ny tontolo iainana (AJE) namboly hazo », hoy i Andriantefiarinesy Njaka, Filohan’ny AJE. Nambarany fa ankoatra ny fampahalalam-baovao dia olom-pirenena ihany koa ny mpanao gazety ka mahatsapa ho manana adidy amin’ny lafiny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ritra ny rano

Rehefa vanim-potoanan’ny main-tany dia tsy mahita rano ho sotroina ny mponina manodidina ny tanànan’ny Soavina Ambanintsena  Nanapakevitra ny SAF FJKM hamboly hazo, ao amin’ny saha iasany ho fiarovana ny tany tsy ho kaohan’ny riaka, hitazomana ny rano amin’ny sahadriaka ary hitsinjovana ny loharano tsy ho ritra. « Raha ny eto Soaviana dia rano avy any ambony no taritina. Taloha taozavatra sy fambolena karazana voankazo avy any ivelany no  natao. Voatery namboly hazo ny SAF FJKM mba hitsinjovana ny loharano tsy ho ritra ho any rano fisotro isan’andro. Nosafidiana manokana zacaranda, frêne ary acacia satria ireny haingampitombo sy tsy mila ranobe », hoy i Dadah, tomponandraikitra ao amin’ny sahan’ny SAF FJKM Soavina. Hatramin’izay nambolena hazo izay dia hita sy tsapa  fa mitombo ny rano.  Anisany mpamatsy rano ny manodidina  ny SAF FJKM amin’ny alalan’ny sampan’asany rano fisotro madio.

Lynda A.